Miharena

Nampidirin'i miharena | 6 Jol, 2010

Miharena no entina manokatra izao lahatsoratra izao.

Maro ny hevitra mety mampiondrika, na ny zava-mitranga manala antsika tsirairay tsy afa-hijoro eo amin'ny fiainana na ny fisainana fotsiny aza. Izany dia mitarika tsy fahitana izay lalan-kombana ka na ny fihevitra na ny fiteny dia manjary tsy manome vokatra araka ny ilàna azy.

Noho izany dia ilaina betsaka ny fandinihina ny zava-misy rehetra, indrindra fa ny momba ny Fototra izay iainantsika olombelona. Rehefa mandry io Fototra io, rehefa fantatra tsara ny Loharano, rehefa hita tsara ny lalan-kaleha sy ny antom-pisiantsika dia tokony handeha araka izay heverintsika fa handehanana ny fiainana, na ny fikasana rehetra.

Koa mazotoa miaraka mifanohana amin'izany fikarohana izany.

Ny vokatra antenaina dia ny fahazoana fahazavan-tsaina ka afaka hiaina sy hitombo ao anatin'ny fahamaivanana tanteraka.

 Mila miharina, mila mazava ary mila miasa amin'izany rehetra izany dia hahzo voka-tsoa tokoa.